4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol1. andriamanitra he mahagaga - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Fa lehibe Hianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra. »

(Salamo 86:10)

« Midera Azy noho ny asany lehibe; Miderà Azy araka ny haben’ny voninahiny. »

(Salamo 150:2)



---------------------------------------------------------------------



1. Andriamanitra !

He mahagaga, ny zavatra nataon’ny tananao

Ny kintana sy kotrokoranandro

Ampisehoanao ny herinao



MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE

MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE



2. Raha mitsangatsangana ao an’ala

ka mahare hy hiram-borona

Sy rivotra mitsoka moramora

Ary mahita tendrombohitra



MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE

MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE





3. Raha tsaroako fa Jesoa Tompo

Natolotry ny Ray an-danitra

Ho avotra noho ny fahotako

Izay vita teo Gologota avokoa



MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE



4. Ho tonga Jesosy Tompo soa

Hitondra ahy ho any an-danitra

Hiondrika aho sy hitsaoka azy

Andriamanitra, he fa lehibe



MIDERA ANAO ANDRIAMANITRA ô

FA LEHIBE, FA LEHIBE

Partager vol1. andriamanitra he mahagaga

Commenter vol1. andriamanitra he mahagaga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite